Ho ambohipihaonan’ny mpivarotra sy mpanjifa ary ny mpankafy sy ireo liana amin’ny
tontolon’ny kodiaran-droa na ny « motos » ny 15-16-17 aogositra izao etsy amin’ny Palais des Sports Mahamasina, izay hanatanterahana ny hetsika lehibe « Foire des motos 2024» karakarain’ny Platonik Prod. Hetsika hanehoana ireo vokatra « motos », ny piesy, ary ireo manodidina azy… avy amin’ireo mpivarotra sy matihanina amin’izany, izay maro no mandray anjara satria manodidina ny 40 ny tranoheva mandritra an’io hetsika lehibe ao anatin’ny 3 andro. Mila toerana sy sehatra hahafahany mihaona ihany koa ny mpanjifa sy mpifidy, ka antony nahateraka ny « Foires des motos 2024 », hoy ireo mpikarakara. « Tsapanay fa tena efa maka toerana amin’ny fiainana andavanandro eto Madagasikara ny tontolon’ny kodiaran-droa, ary eo amin’ny tontolon’ny fifamoivoizana dia tena mipetraka ny lanjany ankehitriny, ka antony hanaovana izao hetsika izao », hoy hatrany ny mpikarakara sy ny mpandray anjara izay naneho fa efa vonona tanteraka amin’ireo tolotra samihafa hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Amin’ny alalan’ireo marika samihafa na Eoropeanina na Asiatika, dia betsaka ireo safidy na ara-kalitao na eo amin’ny vidiny. Manamafy hatrany izy ireo fa betsaka ireo tolotra sy fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa toy ny fahabetsahan’ny safidy na motos vaovao, na efa niasa, na ny piesy samihafa,… Ankoatra ny mpanjifa sy ny mpivarotra, dia mandray anjara feno ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny « motos » tahaka an’ireo fikambanana samihafa. Vao miresaka kodiaran-droa ihany koa dia tsy afa-misaraka ny ny lafiny aroloza sy fiantohana, ka ho an’ity andiany 2024 ity dia ny Orinasam-piantohana Ny Havana no tranom-piantohana ofisialy. Hisy noho izany ny tolotra « remise 50% » ho an’ny fandoavana « assurance » ho an’ny moto herintaona, ka ny 6 maimaimpoana, izay manan-kery amin’ny fividianana sy fanjifana rehetra mandritra ity foaran’ny kodiaran-droa ity, raha ny fanazavana. Manamafy ny mpikarakara sy ny mpandray anjara fa fanambin’izy ireo ny hanome fahafaham-po ny rehetra ao anatin’izao hetsika goavana izao, ary ho maimaimpoana ny fidirana mandritra izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.