Hetsika iraisam-pirenena momba ny fonenana

Nosokafana omaly ny jobily volafotsy


  • Zoma 20 Oktobra 2023

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly teny amin’ny Expo Forello Tanjombato ny jobily volafotsy

fankalazana ny faha 25 taonan’ny hetsika iraisam-pirenena momba ny fonenana na “Salon international de l’Habitat”. Nanomboka omaly ity andiany faha 25 ity ary tsy hifarana raha tsy ny alahady hoavy izao. Miisa 120 mahery moa, raha ny fampahatsiahivan’ny tomponandraikitra voalohany eo amin’ny fikarakarana, Harilala Ramanantsoa, ireo tranoheva mandray anjara ary samy hanome fihenam-bidy avokoa mandra-pahatapitry ny hetsika. Ankoatran’ny lafiny anatin’ny trano sy ny manodidina azy dia hampiavaka ny hetsika ny fampiratiana ihany koa momba ny fanaingoana ny ivelan’ny trano toy ny resaka zaridaina sy ny manodidina izany. Hisy ihany koa ny fifampizarana traikefa eo amin’ireo samy mpandraharaha amin’ity sehatra iray ity sy ny velan-kevitra samihafa hampahafantarana bebe kokoa ny maha sarobidy izay tontolon’ny fonenana sy ny resaka mari-trano izay, hoy hatrany ny fanampim-panazavana natao nandritr’izao lanonam-panokafana izao.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT