Homena lanja manokana ny vita Malagasy ao anatin’ny efatra andro mandritra ilay hetsika karakarain’ny SIM andiany faha-II izay manomboka anio etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina
Betsaka ireo olona manomboka liana amin’ny vokatra vita avy eto Madagasikara na dia eo aza ny fifaninanana amin’ireo entana avy any ivelany. Maro ankehitriny ireo orinasa Malagasy izay azo lazaina fa efa mametraka ny laharam-pahamehany ho an’ny mpanjifa eto anatiny, ka tsy mitsahatra manatsara hatrany ny vokatra asehony. Noho izany indrindra no anton’izao hetsika izao raha ny nambaran’ny mpikarakara ny hetsika. Mahatratra 200 mahery eo ho eo ny tranoheva ho hita mandritra ny hetsika ary orinasa maro avy eto Madagasikara avokoa izy ireo ka hita ao daholo ny karazana entana rehetra toy ny sakafo, ny fitaovana tokantrano. Nanamafy hatrany ny mpikarakara fa efa miverina tsikelikely ny fahatokisan’ny Malagasy ny vokatra vokarina avy eto ary tokony hitady ny fomba rehetra ny fitondrana mba hanomezan-tanana ny fampiroboroboana ny indostria eto an-toerana sy hitazonana ny fitiavan’ny Malagasy izany satria efa misy ny ezaka. Notsindriany fa ilaina ny fametrahana rafitra mazava, eo ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.