Mitady ny zava-baovao mamaly ny filana amin’ny fiainana andavanandro hatrany ny mpitsidika tonga maro ao amin’ny hetsika FIER MADA hatramin’izay telo andro nanombohany etsy Amparibe (Sekoly Md Misely) izay
. Misongadina ao ohatra ny fitaovana iray entina manafana rano. Tsotra sady mora ampiasaina izy ity ary vokatra malagasy zato isan-jato. Tsy mila herinaratra na angovo hafa ny mampandeha azy fa arina sy kitay dia ampy ary ahazoana rano mafana 55 litatra ao anatin’ny 10 na 15 minitra monja. Mitazona hafanana ihany koa izy ity. Raha ny vidiny indray dia sahaza ny Malagasy rehetra ary tsy mena mitaha amin’ireo vokatra vahiny. Ny tanjon’ny mpamokatra moa raha ny nambarany dia ny hampisongadina ny maha-Malagasy ary te hampiseho fa ny Gasy dia mahavita azy ary afaka mifaninana amin’ireo vokatra avy any ivelany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.