Raha tontolon’ny fiompiana, fikarakaràna, fampiadiana akoho dia sahinay ny miteny,
hoy ny fikambanana Ako akoho, fa tsy misy fianakaviana malagasy ka tsy manana izany atao hoe mpampiady akoho na mpiompy akoho izany ao aminy ao. Betsaka, noho izany, hoy izy ireo, ny malagasy mankafy sy miangaly izany adin’akoho izany. Izany indrindra no anton’ny hetsika na «Festival Ako akoho, Dona be andiany faha 3», izay ho tontosaina ny 28 jona sy 5 ao amin’ny kianjan’ny hira gasy etsy Ampefiloha ary ny 6 jolay kosa no hamaranana izany eny amin’ny Gymnase Besarety, hoy ny filohan’ny Ako akoho, Harim Andriamahaleo. Hisy ao anatin’izany ny fifaninanana «Mister coq», izay hifantenana ireo akoho lahy tsara endrika amam-bika indrindra, hoy izy. Misy karazana akoho iray izay hafarana 10.000 Euros na 50 tapitrisa Ariary vao tonga eto Madagasikara. Atody iray ihany koa, izay 100 Euros no manafatra azy. Entina ilazàna izany fa manana ny lanjany tanteraka sy lafo vidy ity tontolo ity. Ao anatin’ny hetsika koa ny fampiadiana akoho na «Combat de coq» ary hahazo loka izay mendrika indrindra. Hisy ny fampirantiana an-tranoheva hanehoan’ireo mpisehatra ny mombamomba izay tontolon’ny akoho izay rehetra ary akoho tsy fahita matetika no ho hita ao anatin’izany amin’io 5 jona io. Hisy ampaham-bola be ho antontona anatin’ny hetsika antsoina hoe «Tafio akanjo », izay hanangonana fitafiana ho an’ireo tsy manan-kialofana sy mpatory an-dalana ao anatin’izany, indrindra, manoloana izao ririnina izao. Entanina ao anatin’izany ihany koa ny rehetra izay hanontrona ny hetsika raha manana akanjo fitafiana mbola tsara nefa tsy misy mampiasa intsony mba hitondra izany anatin’ny hetsika fa efa misy fanangonana izany ao. Fialamboly hatramin’ny faha mpanjaka ny adin’akoho. Mifono kolontsaina maro ihany koa izany. Faniriana ny hanana federasionina misahana ity taranja ity ary efa natonona ny tompon'andraikitra heverina afaka isahana izany eo anivon’ny fitondràm-panjakàna. Lazaina matetika ho lalaon-jiolahimboto izany adin’akoho izany kanefa dia betsaka ireo olona mpampiady akoho no manana ny maha izy azy. Ahitàna hatramina minisitra misehatra ao, manamboninahitra miaramila, Dokotera, teratany vahiny toy ny sinoa, karazan’olona maro. La Reunion no hanafarana ny ankamaroan’ny akoho mpiady eto Madagasikara. Akoho avy any Thailande no matetika alefan-drizareo aty. Arakaraky ny ady asehon’ny akoho iray no mampiakatra ny lanjam-bidiny. Hatreto rehefa miresaka adin’akoho moa dia akoho lahy foana fa ny akoho vavy kosa dia fakàna ny taranak’ireny akoho mpiady maro ireny. Voakarakara 3 volana eo vao afaka miakatra kianja ny akoho iray. Tsy tokony hihoatran’ny ora 2 ny faharetan’ny adin’akoho iray. Raha mihoatra an’izay dia sahala. Rehefa in-3 tsy tafatsangana ny akoho iray no atao hoe resy. Azon’ny mpampiady akoho atao ny manome hanina mampatanjaka azy fa ny manosotra zavatra amin’ny akoho kosa tsy azo atao mihitsy. Misy fikarakaràna manokana azy ireny ary manodidina ny 180.000 Ariary eo no lany amin’ny akoho iray ao anatin’izay 3 volana izay, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.