Hetsika ara-tontolo iainana, fiarahamonina,…

Atao fehy atao fotsiny, tsy mety mahomby


  • Alatsinainy 19 Mey 2025

An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.

Mahita ireo fihetsiketsehana isan-karazany ataon’ny sehatra samihafa eto amin’ny firenena, indrindra, moa fa ataon’ny fitondràm-panjakàna dia lasa mipetraka ny fanontaniana hoe inona moa izany no tena tanjon’ireny fihetsiketsehana samihafa ireny? Toa tsy mahagaga raha zary manao hetsika hita ho tsy misy tanjona koa ny ankamaroan’ireo fikambanana, rafitra na «organisation», sampan’asa samihafa eto amin’ny firenena hatramin’izao taona 2025 izao. Atao fehy atao fotsiny ireo hetsika sy fanentanana fanao eto amin’ny firenena fa toa tsy voasaina akory hoe hitondra inona ho an’ny fiarahamonina eto amin’ity Madagasikara ity? Io izao etsy akaikin’ny lisea Nanisana dia misy ilay fanentanana hoe «Arovy ny sosona ozonina!» na «couche d’ozone ». «Ahenao ny fampiasana CFC sy HCFC!», hoy ilay fanentanana. Firy isan-jaton’ny malagasy moa no mahalala ity hoe CFC, indrindra hoe «Chlorofluorocarbures» no fanalavana azy, izany hoe isan’ny tena mandrafitra ny «gaz à effet de serre», na entona manimba? Maninona raha tsorina fotsiny hoe aoka izay ny fampiasana ireny fiara sy kodiaran-droa be setroka ireny dia mba azon’ny sarambabem-bahoaka izy amin’izay? Firy isan-jato koa no mahalala izany hoe HCFC na «Hydrochlorofluorocarbures», izay vokatr’ireo setroka amin’ny ozinina? Firy isan-jaton’ny malagasy koa no hanana fotoana sy finiavana hamaky karazam-panentanana tahaka itony? Tsy efa tamin’ny andron’ny fitondràna Ratsiraka ve izany fomba fanentanana izany no efa naverimberin’ny serasera samihafa hoe tsy mety?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT