Hetsika ara-toekarena FIM, FIA, SIH, SITLM,…

Horaisin’ny Madavision an-tanana manomboka ny 2025


  • Alakamisy 22 Aogositra 2024

Horaisin’ny Madavision, izay tantanan’ny tale jeneraliny, Harilala Ramanantsoa,

an-tanana manomboka amin’io taona 2025 hitsidika io ny fikarakarana ireo hetsika fanao teo anivon’ny Hazovato Forello Expo Tanjombato teo aloha, raha ny fampitam-baovaon’ireo tomponandraikitra voakasik’izany tetsy amin’ny Ibis Akorondrano omaly. Isany, hoy ny fanazavana, ny FIM na Foara iraisampirenena eto Madagasikara, ny Foara iraisampirenena momba ny fambolena na FIA, ny Foara iraisampirenena momba ny fonenana na SIH ary ny «Salon international du transport, de logistique et de Manutention» na SITLM, izany hoe ny hetsika iraisam-pirenena momba ny fitantanana sy fataterana eto Madagasikara. Isaorana, hoy ny tale jeneralin’ny Madavision, ny talen’ny Forello Expo, Laélia Dijoux Monloup, sy ny filoha tale jeneraly, Gérard Monloup, ary ireo mpiara-miasa rehetra tamin’ny nanomezan’izy ireo fitokisana tamin’ny fiaraha-miasa teo aloha, indrindra, ny fanomezana izao fifanarahana ara-barotra izao. Amin’ny taona hoavy izany dia ny Madavision no hikarakara ireo hetsika rehetra ireo miampy ireo hetsika efa fikarakaranay hatramin’izay toy ny «La grande braderie de Madagascar», ny «Salon de la gastronomie», ary ny «Salon de l’innovation», izay napetraka ho fanamby ho tanterahina amin’ny fomba tena manara-penitra sy matihanina ka hahafahan’ireo matihanina amin’ireo sehatra ireo mandray anjara, hoy hatrany i Harilala Ramanantsoa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT