Andro vitsy izay no lasa, nanamarihantsika ny andro iraisampirenena ho an’ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa, hoy ny filohan’ny Hetsi-panoherana ny fidangan’ny vidim-piainana na MCI, Lalaina Razafindralambo.
Lohahevitra nentintsika, hoy izy, ny hoe “Mpanjifa hahazo fahaleovantena amin’ny fisitrahana angovo azo avaozina”. Sahirana dia sahirana ankehitriny izao tontolo izao vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ary izay no nahatonga ny firenena mikambana hametraka iny lohahevitra iny. Mbola lavitry ny afo ny kitay eto Madagasikara. Mbola tsy misitraka izany angovo madio na azo avaozina azo avy amin’ny masoandro, rivotra, etanaolina izany ny 80%n’ny mpanjifa malagasy. Betsaka ny fanampiana azo avy amin’ny orinasa JIRAMA. Ohatra amin’izany ny fahazoana ny 130 tapitrisa dolara azo avy amin’ny firenena mikambana mba hahazoan’ny malagasy misitraka izany atao hoe jiro. Ny 75%n’ny mpanjifa malagasy anefa hatramin’izao no mbola tsy nisitraka izany. Tafiditra anaty tetikasa Pagose io fanamorana fampidirana jiro ho an’ny tsirairay io. Eo koa ny fanalefahana ny fisitrahana izany ho an’ireo efa nandoa vola nefa mbola tsy misitraka izany mandrak’ity ny anio. Nankaiza ny vola? Inona no laharam-pahamehana? Raha hitantsika ny vinan’ny minisiteran’ny angovo amin’izao dia any amin’ny tsy tokony ho laharam-pahamehana ho an’ny mpanjifa. Raha tanisaina fotsiny dia misy izany hoe fanitsiana ny CODELEC, ny fifanarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Mbola tsy hita izao hoe nanao ahoana ny fisitrahan’ny mpanjifa “Pack solaire”? Lasa aiza, mandrak’ity ny anio ny tale jeneraly mpisolo toerana anatin’io JIRAMA io izay nanana olana teo anivon’ny fitantanam-bolan’ny JIRAMA, hoy hatrany ny MCI?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.