HETSI-PANOHERANA NY DELESTAZY

Renim-pianakaviana iray torana teny Mandroseza


  • Alarobia 23 Oktobra 2024

Niteraka voka-dratsy ho an’ireo mponina teny Mandroseza ilay hetsika nentin’ireo mpianatra avy eny Ankatso

nanoherana ny delestazy lavarenin’ny JIRAMA afak’omaly Alatsinainy 21 Oktobra alina. Tsy nijanona mantsy ireo mpianatra fa nivoaka ary nirodororo niazo io tanana io sy ny manodidina o noho ny fahasorenany ka voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana. Nanapoaka baomba lakrimozena nanoherana ny hetsika ireto farany ka tonga hatrany an-tokantranon’ny olona maro izany, nefa ny jiro tapaka. Vokany, Renim-pianakaviana iray no torana irery tao an-tokantranony nandritra iny haizim-pito iny raha zaza menavava iray ihany koa no sempotra. Ankoatra ity tranga ity dia fantatra fa nisy ihany koa ireo tokantrano vaky fitaratra izay tsy fantatra intsony na nisy saika handroba na noho ny antony hafa. Ny hany feo niparitaka dia nisy olona nitondra vato tamin’ny gony mihitsy teny amin’iny faritra iny nifampitorahana tamin’io afak’omaly alina io ihany. Miantso ireo mpianatra eny Ankatso mba hanao hetsika amin’ny andro atoandro noho izany ireo mponina eny Mandroseza sy ny manodidina. Tena ilaina ny fanoherana hoy izy noho ity jiro sy rano tapaka lava ity saingy mba ho fiarovana ny aim-bahoaka sy ny fananany kosa indrindra fa ny resaka fahasalamana dia aleo amin’ny andro atoandro no hanaovana izany.
Pati
Legende : Tahaka izao no niantombohan’ny hetsika !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT