Hetsi-pahatsiarovana ny 29 marsa ao Moramanga

Zokiolona 335 no nahazo fitsaboana maimaimpoana


  • Alakamisy 28 Martsa 2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

dia isan'ireo Faritra hanaovana ny fitsaboana maimaim-poana , izay tohana ara-pahasalamana ho an'ny zokiolona ny ao Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro. Efa nanomboka ny Alatsinainy 25 Martsa teo ny hetsika ary tsy hifarana izany raha tsy ny 06 Aprily ho avy izao. Raha araka ny vaovao azo dia zokiolona miisa 335 hatreto no efa nahazo tombontsoa.Tamin’ny andro voalohany dia nahatratra 132 isa ireo voatsabo raha miisa 203 kosa tamin’ny andro faharoa. Ho an'ny anio Alakamisy sy rahampitso Zoma kosa, dia misy ny fitsaboana manokana hiarahana amin'ireo "Médecins spécialisés" hataon'ny "Bataillon Médical" Ampahibe sy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.
Nangonin’i Pati
Legende : Vehivavy ny ankamaroan’ireo nisitraka ilay fitsaboana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT