Ela ny ela fa nivoaka tamin'ny fahanginana
ihany koa ny orinasa Star manoloana ny antsojay nahazo azy nandritra ny Fitondrana Rajoelina. Raha araka ny fantatra mantsy dia niakatra avo telo heny ny hetra nalaina tamin'ny zava-pisotro novokariny tato anatin'ny 5 taona izany hoe : nanomboka ny taona 2020 ka hatramin'ny taona 2025. Niakatra ho 293% ny hetra nalaina tamin'izy ireo. Raha 290 Ar isaky ny litatra izany teo aloha dia efa mahatratra 850 Ar ankehitriny. Vokany, voatery nampiakatra ny vidin'ny vokatra vokariny ny orinasa ka miteraka fahasahiranana ho an'ny mpanjifa sy ireo mponina manodidina. Fianakaviana manodidina ny 50.000 isa no voakasika raha araka ny fantatra hatrany. Lalam-pihariana Malagasy 100% no tandindomin-doza hoy izy ireo. Asa raikitra miisa 3700 no atahorana, tantsaha miisa 20.000 koa mahatsiaro ho sahirana raha tafakatra 350 isa ireo mpaninjara. Toraka izany ireo toeram-pivarotana miisa 25.000 sy mpiara-miasa isan-karazany avy eto an-toerana mahatratra 1100 izay orinasa kely sy salantsalany ny ankamaroany. Vokatr'ity fampiakarana mihoampampana ny hetra alaina amin'ny orinasa Star ity avokoa no.mahatonga izany. Miantso fanavaozana amin'ny resaka fitakian-ketra amin'izao Fitondram-panjakana mijoro izao ity orinasa ity noho izany. Mangataka fihaonana sy dinika momba ny droit d'accises mihitsy izy ireo hahafahana mijery ny marimaritra iraisana mba ho tombontsoan' ny Firenena sy ny mpanjifa. Tsiahivina fa tsy manda velively ny fampiakarana ny hetra alaina izy ireo ho fanatsarana ny vola miditra ao anatin'ny kitapom-bolam-panjakana saingy mba hatao amin'ny rariny sy hitsiny kosa. Tsy mpamokatra zava-pisotro fotsiny mantsy ny orinasa Star fa miezaka mamorona asa ho an'ny manodidina azy ihany ho enti-miady amin'ny fahantrana.
Pati
Légende : Ny zava-pisotro labiera no tena lasibatra !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.