Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny
fitaomana ny fakon’Antananarivo. Tsapa sy tsikaritra ho miha mivangongo sy misavovona indray ny fako na ekena aza fa misy ireo fiarabe mitaona, saingy mety nisy fihenana. Manomboka miantraika amin’ny kaominina ny fanesorana ny fitakiana ny hetran-trano sy hetran-tany ho lasa eny am-pelantanan’ny Fanjakana Foibe. Efa naneho ny ankamaroan’ireo ben’ny tanàna fa tena hiantraika amin’ny kaominina io, ka anisan’ny efa nangataka tamin’ny Filoham-pirenena ny Fikambanan’ireo ben’ny tanàna an-tanan-dehibe na ny AMGVM miisa 16 ahitana an’Antananarivo ny mba hitazonana an’io amin’ny kaominina. Ny SMKAR (Sendikan’ny Mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra) dia efa nanambara ampahibemaso mitaky ny hamerenana amin'ny CUA ny IFPB. Re fa mety handefa taratasy any amin'ny depiote ny SMKAR mangataka ny hamerenana ny fandinihana ilay lalàna. Tsy hisy fanintsiana ny tetibolam-panjakana na LFR amin'ity kanefa efa tapaka tao anaty LFI io. Ny fakana ny "impôt synthétique" na hetra tambatra aza tena mifohifohy volo vao mahazo izany any amin'ny Fanjakana, hoy ny SMKAR tapa-bolana lasa. Eo amin'ny 70% no mety ho banga amin'ny tetibolan'ny kaominina rehefa miala ny IFPB, raha ny fanamarihan'ny SMKAR tamin’izany. Ny Kaominina izay mizaka tena ara-bola, ny "subvention" aza manahirana ny mahazo azy mainka fa hoe ny anjara volan'ny kaominina indray no andeha ho alain'ny Fanjakana Foibe", hoy ny SMKAR izay nanipika fa mety miverina mankany amin'ny kaominina ihany satria ny vola miditra ihany no hampiodinana ny Kaominina kanefa maha kely finoana. Nametra-panontaniana izy ireo hoe: aiza ho aiza ilay fitsijaram-pahefana ? Aiza ho aiza ilay "collectivité effective"? Tena tsy arakaraka ilay zavatra hirahiraina amin'izao fotoana ilay izy ka takianay hoe: "aoka mba tsy hokitihina fa ny Kaominina ihany no hitantana ny vola ampidiriny sy mampiodina azy", hoy ny SMKAR. Raha hiroso amin'io amboletra ny Fanjakana : Iza ary ohatra no tompon'andraikitra raha misy fivangongoan'ny fako eto Antananarivo? hoy ny SMKAR. Tahaka izany ihany koa ny karama? Tonga hatramin’ny fampahatsiahivana fa manana ny satany manokana na "statut particulier", "hors catégorie" i Antananarivo, efa tamin'ny 2008 nitantanan'ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina no efa nisy an'izany, ary isan'ny niady an'izany izy, ka mba jereo hoe: rehefa amin'ny fotoana inona ilay izy no mety ary rehefa inona no tsy mety?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.