Actualités

Hetram-panjakana Velona ny fampitahorana !


  • Alatsinainy 07 Jolay 2014

Tsy misomonga mihitsy Rafanjakana mitaky ny hetra amin’ny vahoaka tsy mandady harona. Na mpitatitra io na mpivarotra na koa ireo sehatra maro hafa havokavoky ny kitapom-bolam-panjakana anatiny....

. Miara-miasa akaiky amin’ny fanjakana amin’ny fisavana ireo karazam-pitaterana eny an-dalambe eny, ohatra, nanomboka tamin’ity volana jolay ity ny polisim-pirenena sy ny polisy monisipaly raha ny eto an-drenivohitra no asiana resaka. Nifarana tamin’iny enim-bolana voalohany iny mantsy ny fe-potoana farany tokony handoavana ny patanty ho an’ireo taksibe sy fiarakaretsaka. Ny voalohan’ny volana jolay lasa teo dia nihatra avy hatrany ny sazy ho an’ireo tsy nahaefa izany ara-potoana. Ny tena nahazendana ireo tompona fiara dia sazy midangana iray hetsy Ariary no setrin’ny tsy fandoavan-ketram-panjakana tao anatin’ny fe-potoana voatondro ka raha atao ny kajikajy tsotsotra dia latsaka kely ny 40% izany. Ankoatra izay dia tsy mivoaka eo no ho eo ny taratasy fanamarinana ny nandoavana ny hetra fa taratasy vonjimaika no hoentin’ny fiara fitaterana miasa mandritra ny 30 andro. Tsy misy noho izany ny famindram-po na dia hita aza fa mbola miaina tanteraka ao anatin’ny fahasahiranana ny vahoaka Malagasy. Ireo mpitondra kosa dia tena milamina be manoloana ny fanambaram-pananana takiana hataon’izy ireo any amin’ny Bianco. Sao dia ilaina saziana ihany koa ireo izay tara fe-potoana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT