Hery Rajaonarimampianina

Nigadona an-tanindrazana omaly…


  • Alatsinainy 20 Oktobra 2025

Nody an-tanindrazana omaly alahady ny

Filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Mazava ho azy fa heverina ho misy ifandraisany amin’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Malaza ho isan’ny tsara toerana ho Praiminisitra ity Filoha teo aloha ity, indrindra eo anatrehan’ny olana sy fanamby atrehin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Voasokajy ho isan’ny manana tombony ara-traikefa sy ara-pitantanana noho ny toerana sy andraikitra nosahininy, ny maha manam-pahaizana manokana azy amin’ny sehatra ara-bola,… Tsiahivina fa nisafidy ny hiasa sy honina tany ivelan’ny Firenena rehefa resy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018, nampiseho fandeferana sy nivoaka tamin’ny varavarambe, ary niverina nirotsaka hofidiana ny 2023, saingy niaraha-nahalala ny kianja politika ka nisian’ny tolon’ny collectif des candidats izay nandraisany anjara. Raha ho Praiminisitra na hitazona andraikitra ambony ao anatin’ny tetezamita dia heverina fa tsy ho isan’ny kandida filoham-pirenena manaraka i Hery Rajaonarimampianiana. Asa anefa izay lamina sy fitsipika mbola hipetraka eo ary asa na ho izy tokoa no ho Praiminisitra na ho olon-kafa, fa tombatombana avokoa aloha no mandeha hatreto.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT