Actualités

Hery Rajaonarimampianina Manambitamby an’i Fianarantsoa


  • Sabotsy 19 Jolay 2014

Ho fankasitrahana ny fitokisanareo tamiko tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena farany teo dia mitana ny fampanantenana nataoko aho, hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina tany amin’ny kianjan’Ampasambazaha Fianarantsoa omaly. Efa ambarako ombieny ombieny, hoy izy, fa ny fanjakana tsara tantana no hahazoana manatratra ny vina fampiroboroboana ny fiainam-bahoaka.

Manana filohan’ny delegasiona manokan’ny tanàna ianareo izao dia Rtoa Harilalaina Irma ka tohano izy. Nampiarahany tamin’izany firariantsoa izany ny fanolorana fiara iray ho an’ny Pds sy ho an’ny kaominina koa. Ambarako ihany koa, hoy izy fa manomboka izao dia hiverina amin’ny laonina amin’izay ny fandoavana ny karamanareo eto amin’ity kaominin’i Fianarantsoa an-tampon-tanàna ity sy any amin’ireo fokontany samihafa koa. Tsy ny fanjakana kosa no omena tsiny tamin’izany tsy fandoavana karama am-bolana maro izany, hoy izy, ary teto ihany no nisy izany karama 16 volana tsy voaloha izany.   Mba ho fanampiana ireo olona sahirana ao an-tanàna dia natomboka ao Fianarantsoa koa ny tetikasa asa tana-maro HIMO. Hamboarina koa ireo lalan-dratsy ao an-tanàna ary efa manomboka ihany koa ny fanatsarana ny Lalam-pirenena faha-7 mamakivaky an’i Fianarantsoa. Naloa koa ny karaman’ireo mpiasan’ny Lalamby FCE ary nambaran’Atoa filoha fa efa ao antserana-tsambon’i Toamasina ny lohamasinina 2 sy ireo lalamby hanavaozana iny zotra Fianarantsoa-Côte Est iny. Mbola nitsidika ny ozinina Karenjy (fanamboarana fiarakodia) tao Talatamaty sy ny toeram-pamonoana omby tao Ankidona ary ny tsenan’Anjoma izay may sy ny kolejy St François Xavier mampianatra mahandro sakafo koa ny filoha Rajaonarimampianina tamin’io omaly io. Ministra maromaro ao amin’n governemanta notarihan’ny minisim-panjakana Rakotovao Rivo no nanara-dia azy tamin’izao fitsidihana ny renivohitr’i Betsileo izao. Tsapa nandritra izao dia izoa fa tena manambitamby an’i Fianarantsoa ingahy filoha ka nanome toky fa hanamboatra zavatra maro any, ato ho ato fa tsy hiandry ela intsony.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT