Actualités

Hery Rafalimanana “Ny sosialy” aloha !


  • Sabotsy 05 Jolay 2014

Niseho an-tsehatra indray ny PDS talohan’ny tanŕnan’Antananarivo, Hery Rafalimanana, rehefa tsy hita nandritra ny fotoana naharitraritra. Teny amin’ny CCI Ivato, tamin’ny lanonana famoahana ny andiana mpianatra ANDRAINA......

avy amin’ny ivontoerana ambony ESSCA Antanimena izy no tazana amin’ny maha filoham-boninahitra azy an’ity andiany faha-20 ity izay nahitana mpianatra 250 samy nahazo diplaoma tandrify azy ireo avokoa. Manam-bitana ireto mpianatra ireto fa ankoatra ity filoham-boninahitra ity izay nampanantena fa hitantana ny dian-dry zareo amin’ny fanamby ataony hatrany amin’ny fahombiazany farany avy ary efa nanampy betsaka tamin’izao lanonana famoahana izao, dia manana ray mpiahy roa be izao izy ireo dia ny Tale jeneralin’ny Telma, Patrick Pizal Hamida sy ny Tale Jeneralin’ny Guanomad, Erick Rajaonary. “Aty amin’ny sosialim-bahoaka izao no himasoako fatratra”, hoy i Hery Rafalimanana ary tsy vao izao aho no miahy andiana mpianatra fa efa tena zatra mifanerasera sy manampy ny tanora ny tenako. Raha ny resaka politika indray dia izaho “tsy manda izay andraikitra tandrify ahy hampandrosoana ny firenena fa hatreto aloha dia mbola miompana be amin’ity sosialy ity isika”.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT