Heritiana Rasoamiaramanana na Zaref

«Be mpitsiriritra i Madagasikara»


  • Alakamisy 27 Jona 2024

Mba saino kely ry malagasy havako, hoy ny kandida ho solombavambahoaka farany teo,

Heritiana Rasoamiaramanana na Zaref. Tsy mety milamina ny ao amin’ny ilany atsinanan'ny RDC satria toerana misy zava-tsarobidy ilain'ny mpijirika sy mampiodina ny toekarenan'izao tontolo izao, hoy izy. Ankoatran'ny diamondra, volamena, cobalt, dia misy koa ny akora " 3T " - étain na " tin " amin’ny teny anglisy, ny tungstène ary ny ny coltan na tantale. Ireo akora 3T reo dia ilaina amin’ny tekinolojia avo lenta amin’ny finday, «fusée» na sambon-danitra na koa «industrie aéronautique» na indostria momba ny fiaramanidina. Mba ahafahana mitrandraka tsy misy bedy ireo zava-tsarobidy ireo dia mampiasa «rebelles» na mpikomy avy amin’ny tany manodidina an'ny RDC ireo mpijirika mba ahafahany mifehy ny «carrières» na toeram-pitrandrahana maro isan-karazany. Manoloana izany, inona ny zava-misy eto Madagasikara? Ny toerana misy zava-tsarobidy maro toy ny volamena sy safira dia any an-kodahoda tsy taka-maso ary matetika miara-miasa amin’ny dahalo ny mpitrandraka mba hitandro ny fandriam-pahalemana. Misy indray be baoty mihitsy no miambina ao. Matetika ireny zava-tsarobidy ireny mivoaka an'i Madagasikara tsy re tsaika. Ankoatran'izay dia manana akora fototra ilaina amin’ny «Transition Énergétique» na fivoarana amin’ny fampiasana angovo koa isika raha tsy hilaza afa-tsy ny Nickel, Cobalt, Graphite, Lepidolite na lithium. Be mpitsiriritra i Madagasikara noho izay antony izay. Efa nanome tari-kevitra antsika teto ny mahay mialoha ny fifidianana filoham-pirenena fa vitsy no nandray azy ho matotra. Mifanao «bras de fer» na fifandroritana eto ny tantsinanana sy ny tandrefana mahakasika ireo zava-tsarobidy sy ny akora ilaina amin’ny «Transition Énergétique» ireo. Samy manana olona ao anaty fitondrana ireo hery roa mifanandrina. Ato ho ato dia tsy maintsy voatery hampiseho ny safidiny miharihary ireo karazan'olona ireo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT