Herisetram-panjakana

Niharan-doza hatramin’ny mpanao gazety


  • Alatsinainy 06 Novambra 2023

Ankoatra ireo olon-tsotra izay naratra ny sabotsy lasa teo, dia maro ihany koa ny mpanao gazety lasibatra teo

am-panatanterahana ny asany raha nanao fandrakofana sy nanara-baovao ifotony manoloana ny toe-draharaha politika mafana. Mpanao gazety tsy latsaky ny 4 avy amin’ny orinasa smaihafa no lasibatra tahaka ny tetsy Antaninandro, izay nisy ny voa teo amin’ny tongony nipitihan’ny potika baomba nalefan’ny mpitandro ny filaminana, nisy voa teo amin’ny lohany ka nijininika ny rà, nisy ny voa teo amin’ny tanany, ary teo ihany koa ny fahapotehana fitaovana satria isan’ny simba tamin’izany ny caméra an’ny mpanao gazety iray, simba ny fitaovana fandraisam-peon’ilay mpanao gazety iray izay ratra teo amin’ny tànany. Tena nahery vaika ny fipoahana satria fitaovana tao anaty paosin’ny gilet izay nanaovana io fandraisam-peo simba io, izay heverina fa nipitihan’ny potiky ny zavatra napoaka. Misedra ny mafy ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany, ary tsy voaaro ny ainy. Tsy natao hanakianana ny mpitandro filaminana sanatria fa tena hafahafa ny tranga teo Antaninandro hoe : tena voafehy ve ny fampiasana ilay fitaovana satria tena zavatra tsy ampoizina no nahavoa ilay mpanao gazety satria tena napoaka teo akaikin’izy ireo mihitsy ilay zavatra ? Nanambara ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety na ny OJM tamin’ny alalan’ny Filohany Rtoa Monica Rasoloarison, fa naharay ny tatitra mikasika ireo herisetra. Nisy hatramin’ny mpanao gazety mpaka sary izay izay nambanana basy. Nanameloka ny herisetra nihatra tamin’ny mpanao noho izany ny OJM na avy amin’iza na avy amin’iza. Nampahatsiahy fa mampisitraka ny zo fototry olompirenena hahazo vaovao, vaovao voamarina, maro lafy, zo fototra iantohan’ny lalàmpanorenana sy iantohan’ny lalàna velona. Na amin’ny orinasan-gazety inona na inona dia manana izay zo sy adidy hampisitraka izay zo fototra hahazo vaovao izay. Nitondra fankaherezana ho an’ny mpanao gazety rehetra manatanteraka ny asany ao anatin’izao fotoan-tsarotra izao, ary nampahatsiahy ny mpitandro filaminana fa vao tsy ela no nisy ny fifanarahana momba ny fiarovana ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany. Niantso ny mpanao gazety hanaraka ny lamina sy toromarika samihafa eo am-panatanterahana ny asany ihany koa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT