Herisetra teny Ampahibe

Miaramila 8 lahy no notanana am-ponja


  • Alatsinainy 27 Mey 2024

Miaramila 8 lahy no notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora rehefa notorian’olona noho

ny fanaovana herisetra, izany hoe nidaroka sady nandratra olona, teny Ampahibe ny alin’ny 19 may teo, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Nikotaba teo ivelan’ny tranona olon-tsotra izy ireo nanodidina ny tamin’ny 8 ora alina teo. Niteraka tsy fifankahazoana izany. Nanamparan’ireo miaramila ireo daroka sy vono anefa ilay tompon-trano. Niaro tena izy fa tsy nahatohitra ireo miaramila maro an’isa. Samy nikasi-tanana azy avokoa ireo 8 lahy. Naratra mafy vokatr'izany vono niniana natao azy izany io lehilahy io. Nitsoaka kosa ireo nahavanon-doza taorian'izay, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT