Actualités

Herisetra tany Toamasina Polisy iray no efa hanaovana fanadihadiana


  • Alakamisy 18 Jona 2020

Tsy mbola nangina ilay raharaha nampitaraina olona maromaro tao Toamasina nisiana polisy nanao herisetra tamin’izy ireo.

 

Efa voarain’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka ny Contrôleur Général de Police Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys avokoa ireny fitarainana ireny raha araka ny fanazavany ary tsy hijanona amin’izao. Polisy iray hatreto no fantatra fa efa hatao fanadihadiana. Nomarihin’ity minisitry ny Filaminam-bahoaka ity moa fa na dia ompa indraim-bava aza no havoaka amina olona iray dia efa herisetra izay. Tsy hanao herisetra amin’ny mpiara-belona rahateo hoy izy no antony nanirahana ireny mpitandro ny filaminana nalefa tany Toamasina ireny fa hanampy ny mpiara-belona, indrindra ny hanoro ny olona ny amin’ny tokony hanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana ho fiarovana amin’ny tsy hiparitahan’ny tsimok’aretina COVID 19.

 

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT