Actualités

Herisetra tamina sivily teny Avaradoha Noroahin’ny tafika ary hotsaraina ireo miaramila nidaroka


  • Zoma 19 Mey 2023

Niteraka resabe ny raharaha herisetra nataona andiana miaramila voalaza fa avy nirevy na nisotrosotro tamin’ny sivily teny Avaradoha ny alin’ny alarobia 17 may teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina.

Nisy naka sary sy horonan-tsary moa ny raharaha, ary taorian’iny, dia naneho ny firaisan-kiana ny mponina omaly teo Avaradoha omaly, nilanja sora-baventy, mitaky ny fandraisana andraikitra,… Nirantiranty ny hoe: “tsy ekenay ny famonoana ny namanay”, “tsy ekenay ny fanaparam-pahefana, vono olona”,…Toy ny tany tsy misy fanjakana ve eto ka ny tandroka aron'ny vozona indray no hamono vahoaka? Hoy ireo olona. “Araky ny fitantaran'ny komitin'ny fokontany izay mipetraka tsy lavitry ny nitrangan'ny vono ( 20 m) dia nisy miaramila 7 lahy nisotro toaka tamin'ny “bar” tsy lavitra teo, nisy 3 lahy mipetraka eo akaiky eo nivoaka ka novonoin'izy ireo. Raha ny filazan'ireo miaramila dia mpanendaka izy ireo ka novonoiny nefa ny tranon'izy ireo amoron-dalana miala 50 m tamin'ny nisian'ny vono, izany hoe tsy olona avy eo mihitsy no hanendaka eo amin'io toerana io. Araka ny hita tamin'ilay video dia nisy kolonely nitondra fiara nandalo teo ary nijanona tamin'ny nisehoan'ny vono.”, hoy ny fanamarihana. Efa nalemy nitsirara tamin'ny arabe ny lasibatra, saingy mbola nanaparana hery. Lasa niteraka kiana mivaivay ho an’ny tafika ilay izy, nivadika ho fandoto iray tandroka mandoto ny rano iray siny. Raha ny vaovao azo omaly takariva, noroahina ireo miaramila nanao ny tsy mety ireo ary natao famotorana sy hakarina fitsarana. « Ny miaramila dia tsy mitazona jiolahy. Tokony mahay miaina ny miaramila fa tsy manao toy ireny. Efa natolotra ny zandary izy ireo mba hatao fanadihadiana ka tsy mandray azy ireo intsony ny tafika malagasy », hoy ny fanambarana nataon’ny Etamazaoro. Mbola manao fanompoam-pirenena ireto ny ankamaroan’ireto andian-tafika nesorina tamin’ny asany ireto ary ny sasany efa am-perinasa. Ankoatra izay dia noraisin’ny Etamazaoro an-tanana kosa ny fitsaboana ireo roalahy sivily naratra voadaroka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT