Herisetra sy fanimbana fananana

Teratany vahiny 80 taona voasambotra


  • Alakamisy 24 Aogositra 2023

Lehilahy iray tera-tany vahiny 80 taona no voasambotry ny Polisy ao Toamasina ny talata 22 Aogositra noho ny resaka fanimbana fananana sy herisetra.

Raha tsiahivina kely ny tantara dia naharay antso avy tamina vehivavy iray ny Polisy fa vonoin'ny vadiny ao an-trano izy, omaly tokony ho tamin’ny 09 ora maraina. Fotoana fohy dia tonga teo amin'ny depot 4 eme Analankininina izay toerana hipetrahan'izy ireo ny Polisy. Araka ny hita teny an-toerana dia efa nosimbain'ity lehilahy ity avokoa ireo entana tao an-tranon'izy ireo no sady nikasi-tanana ilay ramatoa vadiny ihany koa izy. Noetina namonjy ny birao avy hatrany ity farany natao famotorana. Efa eo am-pelatanan'ny Polisy ny raharaha ary hatolotra ny fitsarana izany rehefa vita ny fanadihadihana. Tsiahivina moa raha araka ny fanazavan’ny mpitsara iray fa ny fikasihan-tanana vady tahaka izao no hahafahana mitazona ny lehilahy any amin’ny violon fa tsy sanatria fandaozana tokantrano akory, tahaka ilay tranga niseho teto amintsika andro vitsy lasa izay.
Pati
Legende : Ity ilay tera-tany vahiny namono ny vadiny !

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT