Nitarangana herisetra miaraka nampiasana zava-maranitra nandratrana olona tao Morondava, andro vitsy lasa izay Lehilahy iray 45 taona no lasibatra tamin’izany ka nanokatra fanadihadiana ny polisim-pirenena.
Lehilahy miisa roa izay tompon’antoka tamin’izany no voasambotra taorian’ny fikarohana natao. Mbola hita teny amin’izy ireo ilay fitaovana nandratrana ilay lehilahy. Nentina namonjy hopitaly kosa ity farany noho ny ratra mafy teo amin’ny lohany. Na izany aza mbola tsy mijanona hatreo ny raharaha. Mbola mitohy mantsy ny fanadihadiana hataon’ny polisy momba ity raharaha ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.