HERISETRA MIFOTOTRA AMIN’NY LAHY SY VAVY

Nanaovana fifanakalozana tetsy amin’ny Carlton Anosy


  • Talata 12 Martsa 2024

Mbola tena manjaka sy mahazo vahana ny herisetra eto amintsika.

Tsy mijanona ho an’ny vehivavy sy ny ankizivavy irery izany fa maro ihany koa ireo lehilahy lasibatra. Efa maro ireo fikambanana misehatra amin’izany amin’ny ankapobeny saingy na izany aza mbola tsy ampy ny ezaka vita. Anisan’ny antony nanatanterahana ilay fifanakalozana avo lenta momba ny ady amin'ny herisetra mifototra amin'ny lahy sy ny vavy tetsy amin’ny Carlton Anosy izany omaly Alatsinainy 11 Martsa. Mitsidika ireo tany Afrikanina tatsimo sy tatsinanana ny talem-paritry ny UNFPA ankehitriny. Nisy ny fihaonany mivantana tamin’ireo karazana fikambanana miady amin’ny herisetra izay teo amban'ny fitarihan-dRamatoa Mialy Rajoelina, vadin'ny Filohan'ny Repoblikan'ny Madagasikara. Firenena efatra no mandray anjara amin’izany dia ny Nosy rahavavy Maurice, Comores, Seychelles ary Madagasikara. Ankoatra ny fizarana ireo dingana rehetra efa vita amin'ny ady hatao amin’ny herisetra doa nodinihina nandritra izany ihany koa ireo asa mbola miandry ny tsirairay. Notolorana ny marika ny maha "championne de la lutte contre les violences basées sur le genre" azy Ramatoa Mialy Rajoelina, vadin'ny Filohan'ny Repoblika nandritra izany, ho fankasitrahana azy tamin’ireo ezaka efa vitany. Anisan’ny tranga tena nampalahelo sy nanohana ny maro teto amintsika farany teo moa ny fisian’ilay zazavavy kely vao 6 taona monja voaolana sady niharan’ny herisetra teny Imerintsiatosika teny.

Pati
Legende : Notolorana ilay narika maha- championne de la lutte contre les violences basées sur le genre azy tahaka izao Rtoa Mialy Rajoelina !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT