Hanampy amin’ny fisorohana ny herisetra mihatra amin’ny vehivavy ny Vondrona Afrikanina. Hamatsy tetikasa 2 miompana amin’izany izy ka hanome vola 50.000 dolara.
Nivoitra io tamin’ny fihaonan’ny iraka manokan’ny filohan’ny vaomieran’ny vondrona Afrikanina ramatoa Hawa Ahmed Youssouf izay nihaona tamin’ny Minisitry ny mponina Johasy Eléonore omaly maraina. Nilaza ny hamaritra ireo tetikasa ireo faran’izay haingana ny minisitra malagasy izay manantena koa ny hitaran’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra hafa. Ankoatra izay dia hisy koa fanofanana omen’ny Vondrona Afrikanina ny mpikambana ho fanomanana ny fifidianana Kaominaly. Farany dia nivoitra tamin’ny fihaonana koa ny mety hisian’ny fitsidihan’ny filohan’ny Vaomieran’ny vondrona Afrikanina ramatoa Nkosazana Dlamini-Zuma eto amintsika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.