Nitokona sady nilanja sorabaventy teo anoloan’ny minisiteran’ny fampianarana omaly ireo mpampianatra FRAM, tokony ho 50 isa teo
. Mitaraina ho tsy mbola nahazo ny tambin-karamany efa ho herintaona ireo mpampianatra. Teo ihany koa ny tsy mbola nahazoan’izy ireo ny karamany tamin’ny fiandrasana ny fanadianana CEPE tamin’ny taona 2012. Mandrahona ny tsy hisy hiambina ny fanadinana CEPE tanterahina anio ireto mpampianatra FRAM ireto raha tsy voavaha ny olana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.