Actualités

Herinaritry ny Jirama Afaka mandeha ara-dalàna ihany rehefa fety


  • Talata 27 Jona 2023

Nanamarika ny fiainana andavanandro tao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao ny delestazy mandavan-taona. Marina fa mety nisy

izany tamin’ny fitondrana teo aloha, saingy tsy nahery vaika noho ny zava-misy ankehitriny, izay mahatratra hatrany amin’ny 13ora isan’andro mitovy ny laharana n°13 an’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ny propagandy sy fifidianana. Nanamarika ny roa andron’ny 25 jona sy omaly 26 jona fa azo atao tsara ny tsy manapaka ny herinaratra, raha ho an’ny tambajotra iraisan’Antananarivo. Nandeha soa aman-tsara tsy nisy olana ny herinaratra tamin’ny ankampobeny tao anatin’izany roa andro izany, tahaka ny efa niseho tamin’ny alahady sy alatsinainy pantekoty. Niverina ampy tampoka teo ve ny tosiky ny rano amin’ny andro ririnina ary ampy tampoka ny kamio mpamatsy solika ary tsy nisy olana ara-pitaovana indray? Ny fandehanan’ny herinaratra tao anatin’ny roa andro, dia ahafahana milaza fa azo alefa ara-dalàna tsy misy fahatapahana ny jiro, fa fampiresahana sy fanadalana saim-bahoaka ny fialana bala lava toy ny filazana fa tsy ampy ny tosiky ny rano noho ny andro ririnina, tara sy tsy ampy ny solika,… Rehefa tena zohiana, ny vola hoenti-mividy solika hampiodinana ny Jirama mihitsy no tsy ampy sy tsy misy, hany ka tsy maintsy hampijaliana lava amin’ny delestazy ny vahoaka. Rehefa hampirevirevy amin’ny fety tahaka ny “podium” hanariana dia ny vahoaka dia tsy tapaka ny herinaratra amin’ny faritra misy an’izany. Rehefa andavanandro kosa, tsy te hahalala izay fihariana sy fivelomana, ary famokarana mihen-danja noho ny olana ara-angovo any. Ny fampiasana herinaratra mihena efa ho hatrany amin’ny antsasany noho ny delestazy, fa ny faktioran’ny Jirama anefa, tsy miova fa mitombo aza. Azo lazaina ho efa anjara birikin’ny Malagasy amin’ny fanarenana io orinasam-panjakana io izany, saingy vao mainka miha zava-doza ny fahatapahana herinaratra. Tsy arakaraka ny vavabe sy ny fampanantenana tamin’ny propagandy!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT