Actualités

Herinaratry ny Jirama Manimba zavatra maro


  • Alarobia 28 Oktobra 2020

Mba tsy hilazana hoe manimba fiainam-bahoaka mihitsy dia aleo tsorina amin’ny hoe manimba zavatra maro ity tsy fahatomombanan’ny orinasa Jiro sy rano Malagasy ity.

 

 

Vao kotrok’orana sy rotsak’orana maivana omaly dia efa nandrenesana akom-pahatapahan-jiro sahady ny faritra maro teto Antananarivo toa an’Amboditsiry, Ankadifotsy, Atohomadinika. Asa indray izany izay hitohy hitranga mandra-pahatapitr’ity fahavaratra ity raha toa ka toy ireny no zava-nisy tamin’ny fotoana mbola tsy nisian’ny rotsak’orana. Efa an-taonany maro ihany izay nitarainana izay hoe manimba zavatra maro, indrindra, ity fahatapahan-jiro matetika ity. Simba ny sakafo anaty vata fampangatsiahana, simba ny fahitalavitra, tapaka ny asa, marobe saingy dia mbola andrasana hatrany moa izany ny fahatongavan’ilay vahaolana lazaina fa maharitra avy amin’ny Jirama.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT