Actualités

Herinaratra tsy ampy lava Vahaolana ny fitrandrahana solila mavesatra


  • Talata 13 Oktobra 2020

Tao anaty herinandro maromaro dia niaina fahoriana ny mpanjifan’ny Jirama. Efa saika isan’ora dia tapaka hatrany ny herinaratra ary maharitra vao miverina, indrindra aza 24ora ny fahatapahana.

 

 

Maivana ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara, eo amin` ny 16% izao ny mponina mahazo izany manerana ny nosy. Tsy ampy betsaka ny herinaratra vokarin` ny JIRAMA, 570 MW ka ny 60% amin`izany mandeha amin` ny solika, 40% kosa avy amin` ny rano. Araka ny tatitra “Doing Business 2018” efa nataon` ny Banky iraisam-pirenena dia laharana faha- 184 I Madagasikara amina firenena 190 eo amin`ny fahazoan` ny mponina herinaratra. Ny fitondram-panjakana moa dia miroso amin`ny fitrandrahana ny herin` ny masoandro. Madagasikara rahateo dia tsara toerana amin`ny masoandro. Tanjona dia ahafahana mamatsy herinaratra ny tokantrano Malagasy 70% mialoha ny taona 2030. Mandrapahatonga an`izany anefa dia hibaby ny fahatapahana herinaratra sy ny fahalafosany ve ny Malagasy? Nandritra ny fihaonana teo amin` i Akinwu Adesina, Filohan'ny Banky Afrikana ho an`ny Fampandrosoana (BAD) sy ny filoha Rajoelina, ny taona 2019, dia nanambara ity farany fa hanafatra menaka mavesatra avy any ivelany satria mitombo efatra avo heny ny vidin`ny herinaratra eto Madagasikara mihaotra an`i Eoropa. “Izany no hampihena 30% ny saram-pamokarana satria 240 000 litatra isan` andro na kamion 10 noho ilaina hampiodinana ny tobim-pamokarana herinaratra eny Ambohimanambola”. Ny any amin` ny faritra maro moa dia vokarina amin` ny solika ny herinaratra ka miteraka olana ahafa noho ny fahalafosan` ny vidin-tsolika ny fahanteran` ny milina tsy ampy fikojakojana. Na dia izany anefa, isika manana ny orinasa Mada Oil any Tsimororo. Efa nisy ny andrana natao araka izany niarahana tamin`ny orinasa Symbion Power izay mpiara-miombon’antoka amin’ny Jirama amin’ny famokarana ao Mandroseza. Ny JIRAMA dia mila 2 000 barila an`izany ``fuel`` izany kanefa Madagascar Oil dia efa manana tahirin-tsolika mavesatra izay mahatratra 160 000 barila afaka manodina ny milina mamokatra 40MW eny Mandroseza ao anatin’ny 6 volana. Ankoatra ny vahaolana ho an`ny herinaratra dia hampitombo ny sehatrasa samihafa izany fitrandrahana izany. Manankarena tokoa i Madagasikara ka mba rahoviana ny Malagasy vao mba afaka hioty ny harena maro eto amin`ny taniny?

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT