Actualités

Herinandron’ny fifandraisan-davitra Hampiseho ny fahaizany ireo mpianatra eny Vontovorona


  • Alakamisy 06 Aprily 2023

Ho tontosaina ny 11 hatramin’ny 14 aprily 2023 izao eny amin’ny sekoly ambony momba ny politekinika eto Antananarivo na ESPA Vontovorona ny hetsika «Semaine de la télécommunication»

na herinandron’ny fifandraisan-davitra. Araka ny fampahafantarana natao momba izany omaly tetsy amin’ny Campus Telma Andraharo dia fotoana iray lehibe io ahafahan’ireo mpisehatra amin’izany fifandraisan-davitra izany mifanakalo hevitra sy traikefa mivantana ary mizara vaovao ihany koa momba ny fivoaran’izay tontolon’ny teknolojia izay. Eo ny velankevitra momba ny lalan-kizorana azo arahana amin’ity sehatra ity ho an’ireo mpianatra. Hisy fifaninanana ho an’ireo tetikasa tsara indrindra mifandraika amin’izany ihany koa ary lalao ara-panatanjahantena samihafa, hoy ny avy eo anivon’ny orinasam-pifandraisan-davitra Telma, izay isan’ireo tompon’antoka amin’ity hetsika ity, fa dia hampiseho ny fahaizany ihany koa aloha izany ireo mpianatra eny Vontovorona.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT