Fahombiazana tanteraka ny fankalazana ny herinandron’ny Agro tany Andina Ambositra ny sabotsy teo.
Fanolorana mari-pankasitrahana ho an’olona nahavita be teo amin’ny sehatry ny fampianarana miisa valo no nisantarana ny lanonana ka anisan’ireny ny dokotera Rakotondrindrainy Rasoamampionona Raphael, Ben’ny tanànan’Andina izay nahazo ny Grand officier de l’ordre national. Narahina famoahana mpianatra misalotra ny anarana : “Andrisa Mahatsangy” miisa 87 mianadahy izany, raha teo ihany koa ny fandraisana mpianatra vaovao miisa 100. Marihina moa fa notokanana tamin’io andro io ihany koa ny trano ABC ahitana efitrano roa lehibe, mahalany mpianatra 20 isa miaraka amin’ny birao roa. Tsiahivina fa ny 25 hatramin’ny 29 septambra lasa teo no nomarihina tany an-toerana ny herinandron’ny AGRO.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.