Tsy famerenana intsony amin’ny laoniny ny fandriampahalemana no misy any amin’iny distrikan’i Tôlagnaro sy Amboasary Atsimo iny fa fampijaliana ombana fanaparam-pahefana ary famonoana olona.
Io no nambaran’ny olona sy fitarainana tamin’ny mpanao gazety ny faran’ny herinandro iny. Amin’ireo kaominina sy tanàna andalovan’ity kapiteny ity sy ireo ekipany ao amin’ny zandarimariam-pirenena any Tôlagnaro , maneno sahona avokoa izay alehany. Manginy fotsiny ny fampijaliana amin’ny endriny maro amin’ny alalan’ny fampiasana antsy ireo “amerdement” amin’ny endriny maro. Tsy anavahana na ankizy na olobe, eny fa na hatramin’ireo olom-boafidy toy ny ben’ny tanàna sy sefo fokontany aza samy mitondra faisana avokoa. Hanararaotana izany ny fanakanana fiarakodia hisavana “passeport” na fanamarinan-dian’ireo mpandeha. Betsaka amin’ireo mponina no tratry ny tsy nampoizina ary vaky vava fa ”aleon’izy ireo miaina miaraka amin-dRemenabila sy ny ekipany toy izay amin’ireo zandary mpampandry tany ireo”. Antony, tsy misy fanadihadiana fa tondromolotra fotsiny, tifitra avy hatrany no manaraka izany. Tsy vitsy ireo mitonona fa vonona hijoro ho vavolombelona raha ilaina. Efa nisy ny tatitra nataon’ireo tratry ny herim-pamoretana any amin’ireo tomponandraikitry ny zandary ao Anôsy sy any amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany any an-toerana, saingy tsy mbola nandrenesana akony hatramin’izao. Manoloana ity herim-pamorentana amin’ny endriny vaovao (fihetsika alkaida) ataon’ny tomponandraikitry ny zandary iray any Tôlagnaro ity, manao antso avo amin’ny fitondrana mahefa sy ny solombavambahoaka avy amin’ireo distrika roa ireo vahoaka voakasika ny hanaovana fanadihadiana amin’ny zava-doza ataon’ilay manamboninahitra. Maniry izy ireo ny hamindran-toerana azy io tsy misy hatak’andro raha tiana hiverina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana sy ny fifampitokisana eo amin’ny mponina an-daniny sy ny zandary an-kilany. Marihina fa ireo traboina avy any Andranondambo sy Ambatotsimivalo, samy mbola ao an-tampon-tanànan’Amboasary Atsimo avokoa, tsy mety miverina any amin’ny toerana nilaozana. Hetahetan’ny mponina ny hilazana ny tranga sy ny vaovao marina misy any an-toerana amin’ny haino aman-jerim-panjakana indrindra indrindra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.