Actualités

Herim-pamoretana : Raikitra ny fisamborana an-tsokosoko


  • Sabotsy 23 Janoary 2010

Nilamindamin-dratsy ny teny Mahamasina sy Anosy omaly tontolo andro. Ireo miaramila mitam-piadiana rahateo no nandravaka ny tanàna ary niezaka nanaparitaka ireo vondron’olona teny ho eny.

 

Ny teo Mahamasina dia nirotsaka tao an-jaridaina mihitsy izy ireo ; rava maina, araka izany, ny hetsik’ireo ankolafy 3. Fa raha hiverenana ny zava-nitranga ny Alakamisy izay nisiana fanapoahana lakrimozena sy fisamborana, dia fantatra fa tsy ireo olona 2 hitan’ny rehetra maso ihany no voasambotra tamin’iny Alakamisy iny. Iny harivan’ny Alakamisy iny tokoa manko dia mbola nisy vehivavy hafa nosamborina an-tsokosoko teny amin’ny faritra Ampefiloha. Araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso, dia nosamborin’ireo mpitandro ny filaminana teny amin’iny faritra Ampefiloha iny ny renim-pianakaviana iray handeha hody hamonjy ny tokantranony. Avy nijery ireo naratra vokatry ny fifandonana teny amin’ny HJRA ity renim-pianakaviana ity no nosamborin’ireo mpitandro ny filaminana teny an-dalana. Raha ny vaovao dia niharan’ny herisetra ny tenany, natao fanadihadiana teny Betongolo ihany koa ary hiakatra fitsarana ny Alatsinainy ho avy izao. Raha ny fantatra dia anisan’ny mpikambana eo anivon’ny Tanora Tiako I Madagasikara ity madama natao sambo-dokotra teny an-dalambe ity.
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT