Tsy manaiky ny tetika maizina hanapotehana ny kaompaniam-pitaterana nasionaly Air Madagascar ny sendikan’ny mpiasa mitambatra ao aminy ary nanao fitokonana fanairana nandritra ny ora telo omaly teny Ivato. Manamafy ireo mpiasa fa tetika hamonoan’ny Frantsay ny Air Madagascar ny fampidirana ity kaompania ity ao anatin’ilay « annexe B » ka tsy hahafahany misidina any eoropa satria tsy mahafeno ny fepetra ara-teknika, hono.
Sazy tsy mitombina
Mahagaga ihany ny fanapahan-kevitra tahaka izao, hoy ireo mpiasa satria ananan’ny Air Madagascar tsara ny fenitra eoropeanina toy ny PART 145 momba ny fikojakojana fiaramanidina sy ny IOSA avy amin’ny IATA ho fanamarinana fa azo antoka sy matihanina eo amin’ny tontolon’ny fiaramanidina iraisam-pirenena i Madagasikara. Tsara homarihana ihany koa, hoy hatrany ny fanambaran’ny sendikan’ny mpiasa fa ny Air Madagascar no manao ny fanohanana ara-teknika sy ara-taratasy ireo kaompania Frantsay tonga eto amintsika toy ny Air France sy ny Corsair. Raha ny filazan’ireo mpiasa nitokona omaly ireto dia tena nampitombo ny olana teo anivon’ity kaompaniam-pitaterana ity ny fividianana ilay Airbus A340 nandritra ny tetezamita. Nitombo 30% ny fandanian’ny orinasa satria tena mandany solika betsaka lavitra noho ny Boeing 767 ny Airbus A340. Ankoatr’io dia mbola vola be no lany tamin’ny fampiasana ireo mpanamory Frantsay sy ny fanofàna alalana (licence) avy any Island mba hahafahana misidina any eoropa. Manginy fotsiny ny fikorontanana teo amin’ny ankamaroan’ny zotra ka nahatonga ny Air Madagascar tsy maintsy niantoka ny vola lany tamin’ny fampiantranoana mpandeha efa ho 3 000 tamin’ny volana jona.
Gaboraraka, tsy fahaiza-mitantana
Tena niteraka fahakiviana sy tsy fahazotoana teo amin’ny mpiasa izany rehetra izany satria miantraika amin’ny ambaratonga rehetra ao amin’ny orinasa ny fahasahiranana. Tena lalina ny olan’ny Air Madagascar ary tsy azo lavina fa antony nahatonga izany ihany koa ny gaboraraka teo amin’ny fitantanana, indrindra fa tao anatin’ny tetezamita satria maika tamin’ny fanovana tsy am-piheverana ireo mpitantana. Nidi-kizo nividy fiaramanidina efa tsy ampiasain’ny vahiny, tsy nandinika tsara ny ho avy fa maika fotsiny hamafa ny zava-bitan’ny fitondrana teo aloha. Mora ho an’ireo kaompania vahiny, anisan’izany ny Air France ny mandrapaka ny Air Madagascar rehefa matiantoka sy sahirana ara-bola lava izy. Io no atahoran’ireo mpiasa satria tsy maintsy maro ny ho very asa amin’izay ary lasan’ny vahiny ambongadiny ihany koa ny fananam-pirenena. Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar nandritra ny fitondrana tetezamita ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina ka mahalala tsara ny zava-misy rehetra ao, ary anisan’ny tsy afa-miala amin’izao fahasahiranana mitondra mankany amin’ny fahapotehan’ny Air Madagascar izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.