Hentitra ny PM Mamitiana

Rajaonarison


  • Talata 17 Martsa 2026

Vokatra fa tsy asa no hotakiana! Tsy misy mpanohitra fa « mpanohariana » ! »

tsy niandry ela fa notanterahina omaly 16 martsa 2026 avy hatrany ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Praiminisitra teo aloha Atoa Herintsalama Rajaonarivelo sy ny Praiminisitra vaovao izay vao voatendry ny alahady teo Atoa Mamitiana Rajaonarison. Tontosa tao anatin’ny firahalahiana sy fifanajana, ka nanoloran’ny teo aloha ny antontan-kevitra miisa roa mirakitra ny asa vita sy ny torolalana ahafahana manohy sy manatsara ny dingana vita. Firariantsoa sy tsodrano tetsy andaniny no votoatin’ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Praiminisitra teo aloha. Niombonan’ny roa tonta ny fankasitrahana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely Randrianirina Michael, noho ny fitokisana lehibe napetraka tamin’izy ireo. Nankasitraka tamin’ny 4 volana nitantanan’ny Praiminisitra teo aloha sy ny ekipany ny Praiminisitra vaovao Mamitiana Rajaonarison, izay nanipika fa mety fohy raha amin’ny raharaham-pirenena saingy inoany fa hitan’ny fiarahamonina sy ny mpiray tanindrazana ny zavatra vita tao anatin’izay. "Tsy miova misolo, fa mandimby dia mitohy manatsara,... Tsy tonga handrava Aho fa tonga hanorina, ka tsy hisalasala Aho hanontany anao raha misy zavatra ilana anao noho ny traifekanao na tato amin’ity toerana ity na tany amin’ny toerana hafa, ka miangavy aho tsy hanosi-bohon-tanana ianao », hoy ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison. Nanamafy ny hametraka fahitsiana sy fahasahiana araka ny fitokisana napetraky ny Filoham-panjakana ny tenany. Hifototra amin’ny iraka lehibe roa dia ny fanatanterahana ny politikan’ny fanavaozana, ary faharoa dia ny hampiray indray ny Malagasy rehetra manerana ny lafivalon’ny nosy sy manerana izao tontolo izao, ka hatao mifanaraka amin’izay ny drafitr’asa. Nitsotra ny Praiminisitra fa teknisianina tsy mbola tao anatin’ny politika, kanefa tena politika amin’ny lafiny fitantanana ny firenena ny toerana noraisina, saingy matoky ny hahavitany ny iraka amin’ny kristianina azy. « Tsy misy safidy eto afatsy ny fahombiazana satria miandrandra izany ny Malagasy, tsy mahandry, ary tena maika satria ela loatra izay fijaliana izay. Izay hiara-hiasa amiko eto dia mila mandray izay fijery izay hoe : vokatra no ilaina fa tsy asa », hoy hatrany Atoa Mamitiana Rajaonarison. Ny zavatra handeha eto izany dia tsy « indicateur d’activité » fa « indicateur de résultat » ka horefesin’ny vahoaka andro aman’alina, hoy hatrany izy nanipika fa manova isika fa tsy miasa, ka raha handrafitra ny governemanta miaraka amin’ny Filoha dia minisitra « choc choc » tonga dia manome vokatra eo noho eo no hojerena. Nanatrika ity fotoan-dehibe ity ireo tomponandraikitra ambony sivily sy miaramila, ireo olom-boatendry sy olom-boafidy, ireo mpiray andiany faha-23 tamin’ny Praiminisitra vaovao fony izy tany amin’ny Akademia miaramila, ireo mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Primatiora sy ny rantsamangaikany, ary ireo solontena avy amin’ny SAMIFIN. Taorian’izany dia nisy ny fanompoam-pivavahana niraisan’ny rehetra ho fangataham-pitahiana amin’ny andraikitra, ny asa ary ny ezaka hotanterahina.

HISY FISOKAFANA AMIN’NY MPANOHITRA ?
Hitsangana anatin’ny fotoana fohy governemanta raha ny nambaran’ny Praiminisitra saingy tsy nofaritany mazava ny famoahana azy satria tena miankina amin’ny Filoha fa tsy amin’ny tenany irery, fahintsiana sy fahasahiana no mason-tsivana hisafidianana ireo Minisitra. Tsy miova ny tetiandro nofaritana mikasika ny Fanjakana fanavaozana. Efa misy ny PGE-R na ny Politika ankampoben’ny Fanjakana ho an’ny fanavaozana, ka fanintsiana kely no mety atao, ary rehefa vita dia atolotra ny parlemantera. Hanolotra amin’ny Filoha ny soso-keviny mikasika ny progama sy ny fomba fanatanterahana azy dia hojerena eo, fa ny vokatra no tena zava-dehibe, hoy hatrany ity Praiminisitra ity. Mikasika ny hoe fisokafana amin’ny antoko mpanohitra na tsia ohatra ny IRMAR, dia nilazany ny hoe : « fanavaozana isika izao ka tsy mino aho fa tsy misy Malagasy manohitra ny fanavaozana, samy mahita ny fahantran’ny Malagasy, ka tsy tokony misy mihitsy miresaka hoe antoko mpanohitra, fa ny fahitako azy ny hoe : « mpanohitra » dia « mpanohariana », ka tsy misy eritreritra hoe fisokafana na tsy fisokafana fa fanavaozana tanteraka an’i Madagasikara sy iantohana ny hoavin’ny Malagasy rehetra », hoy hatrany ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo. Andrasana izany ny tohiny…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT