Telo volana no nomen’ny Kaominina Antananarivo tarihin’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina hialan’ireo mpivarotra eny amin’ireo tsena vaovao eny amin’ny Pavillon Analakely, izay natsangana nandritra ny fitantanan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.
Tsy fanarahana ny fifarahana na « convention » tapaka teo anivon’ny Filankevitra Monisipaly no manosika ny kaominina Antananarivo handray ny fepetra, hoy ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Misy tetikasa goavana hapetraka eo. Mbola manjavozavo ny resaka satria “Pavillon” 16 no no nomen’ny kaominina, kanefa ny fitarainana mandeha any amin’ny fahitalavitra dia 46, ary izahay mahita eny ifotony efa ho 80, hoy i Naina Andriantsitohaina. Tokony ary azo hampidirana mpivarotra 1000 ny fotodrafitrasa hapetraka eo ka raha tena hijery ny soa ho an’Antananarivo isika dia aleo ireo. Tsena lehibe misy rihana roa no hapetraka eo. Olona maro no azo hampidirina ao ary hohajariana ihany koa ny “pavillon” Analakely, ny Zaimaika efa ho vita, hoy izy. Ho an’ireo mpivarotra kosa, raha tsiahivina dia naneho izy ireo fa 10 taona ny fifanarahana tamin’ny Kaominina, ary nampiakatra ny raharaha any amin’ny Fitsarana. Mihenjan-droa ny tady, izay miditra lalindalina kokoa amin’ny resaka politika hoe: satria ny ben’ny tanàna teo aloha ve no nanao azy dia tsy maintsy harodana? Tsy misy toerana azo hanangan-javatra ve fa tsy maintsy ny efa mijoro no harodana? Ao anatin’izao toe-draharaha manahirana sy sarotra izao ve no tsy maintsy handravana ny efa mijoro?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.