Henjehina ho niditra tamin’ny kaonty « FB » ana depiote

Mpanao gazety iray nosamborin’ny «Cybercriminalité»


  • Zoma 29 Desambra 2023

Nosamborin’ny polisy roa lahy iraka avy ao amin’ny sampana misahana ny heloka an’habaka

na "cybercriminalité" Anosy Antananarivo omaly 28 desambra tokony ho tamin’ny 3ora tolakandro, ary nentina niakatra aty Antananarivo, Rakotomalala Rossignol, mpanao gazety ao amin’ny Radio Zanagasy any Manakara, raha ny vaovao navoakan’ny Biraon’ny holafitry ny mpanao gazety na ny OJM Fitovignany. Fanalam-baraka sy fidirana an-tsokosoko ary fisandohana kaonty « Facebook »-n’ny solombavambahoaka voafidy tao Manakara no voasoratra ao anatin'ny taratasy nentin’ireto polisy ireto, raha ny fanazavana. Tohin’ilay firarian-tsoany andron’ny Noely izay nahitana teny mamoafady izay «noely», kanefa diso fanoratra lasa teny ratsy, izay niteraka resabe tamin’ny tambajotran-tserasera. « Manoloana izao raharaha izao, manaja ny tsiambaratelon'ny fanadihadiana ataon'ny mpitandro filaminana ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara. Manatanteraka ny fomba fiasa MAMAFA : MAnadihady MAnamarina FAndraisana andraikitra. Manipika mazava araka izany fa manaraka akaiky izao raharaha izao ary vonona handray ny andraikitra manandrify, faritan'ny lalàna, raha toa ka misy antsojay politika ao ambadik'izao tranga izao », hoy ny Biraon’ny OJM. Raha tsiahivina, naharay antso ny mpanao gazety maromaro teto Manakara, fa hisy ny tafa amin'ny mpanao gazety momba ilay "publication" tamin'ny "facebook", tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro ny alakamisy 28 desambra 2023. Rehefa vory teo amin’ny toerana voalaza fa hanaovana ny fihaonana, ireto farany no tonga tampoka ny polisy mpanao fanadihadiana nisambotra an-dRakotomalala Rossignol. Niezaka nifampiresaka sy nitady vahaolana ny mpanao gazety, notarihin'ny Birao OJM Fitovinagny, ny hamitana ny fanadihadiana eto an-toerana ihany. Tsy nety ireo iraka, noho ny baiko ka nentina niakatra hatao famotorana any amin’ny biraon’ny polisy Anosy misahana ny "cybercriminalité" ihany Rakotomalala Rossignol, hoy hatrany ny fanazavana. Naneho fankaherezana sy fiombonam-po aminy moa ny mpanao gazety maro. Andrasana ny tohiny !
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT