Notafihin’ny Emmo-Reg hatrany an-tranony ny mpianatry ny Polyteknika Vontovorona omaly taorian’ny voalaza fa fihantsiana sy tora-bato nataon’ireto farany ka naharatrana zandary iray. Natao hazalambo eran’ny Campus ny mpianatra taorian’ny zera grenady mandatsa-dranomaso nataon’ny Emmo-Reg
Voadaka ny varavaran’ny trano fonenan’ny mpianatra, ary simba mihitsy ny sasany nikarohana ireo mpianatra. Niharan’ny vely kibay sy toto vodibasy tsy nananana antra izay tratra. Nisy mpianatra valo voasambotra, ka tovovavy ny iray. Navotsotra ihany moa izy ireo nony hariva ny andro. Nitaraina ny mpianatra fa nisy ordinatera finday very nandritra ny fisamborana ny naman’izy ireo. Toherin’ny lehiben’ny fari-piadidian’ny zandary faritany Antananarivo, kolonely Rakotomahanina Florens kosa izay fanambarana izay. Toherin’ny mpianatra ihany koa ny fidiran’ny mpitandro ny filaminana amboletra tany anatin’ny Campus sy ny fampiasan-kery natao tamin’ny naman’izy ireo nosamborina. Milaza ny mbola hanohy ny fitakiana ireto mpianatry ny Polyteknika Vontovorona ireto. Nikasa ny hihazo an’Ankatso ireto mpianatra mitokona ireto omaly saingy ny Emmo-Reg no tonga aloha teny an-toerana. Niato mihitsy moa ny fampianarana eny an-toerana hatramin’ny alatsinainy teo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.