Nanomboka ny herinandron’ny krismasy teo dia lelavola 2 000 Ariary sy 1 000 Ariary no omen’ny banky ny mpanjifa na dia an-tapitrisany maro aza ny vola alaina.
Hendratrendratra ny olona, tsy fantatra mazava ny antony. Hisy ve ny fanovana vola ka tsy havoaka intsony ny 10.000Ariary sy 5.000Ariary ? Miparitaka rahateo ny vola sandoka ka ireo no tena betsaka. Vao ny herinandro lasa teo, ohatra, dia vola sandoka mitentina 4,1 tapitrisa Ariary no sarona tany Toamasina nentina lehilahy 2. Mampitaraina ny mpanjifan’ny banky anefa io tsy fisian’ny vola vaventy io noho ny tsy fandriampahalemana. Mora ho an’ny jiolahy mantsy ny mamantatra hoe mitondra vola betsaka ny olona iray noho ny hadiriny, ka tsy mampandry saina intsony. Ny ratsy rahateo tsy kely lalana ary vao mainka toy ny mihantsy sy misintona azy handroba ity toe-javatra hafahafa miseho eny anivon’ireo banky ity.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.