Actualités

Hemerson Andrianetrazafy “Fanorenana no atao kanefa fanolanana no misy...”


  • Alatsinainy 25 Mey 2020

Mitambatra daholo ato anatiko ny hatezerana sy haromotana ary tena tohana tanteraka aho amin’ny maha olon- tsotra ahy, hoy ny mpahay tantara sady mpahay vakoka,

 Hemerson Andriantrazafy, manoloana ny zava-misy atao amin’ny vakoka eto Madagasikara. Endriky ny fahavendranana faobe no mitranga. Fahavendranan’ny tompon-kevitra sy fahavendranan’ny fiarahamonina. Rariny sy hitsiny ny manam-pahefana manangan-javatra saingy ilay izy mandrava hefa toy ny voalavo ao anatina habaka hiangonana vakoka hifotorana tantara no tsy mety kosa. Ny fitantanana sy fikajiana ny vakoka dia misy tanjozotrany. Isan’izay ny fitehirizana sy fikolokoloana ny efa misy. Tsy manakana izay te hanao izany aho fa mba any an-toeran-kafa. Sangy mihoatran’ny loha ilay izy, hoy hatrany ity manam-pahaizana ity. Lasa fahapotehana miampy fahapotehana ilay fikajiana. Rovan’Antananarivo moa oviana no tsy nandalo loza? Loza ampiana loza ilay izy satria tokony ho fanarenana no atao nefa fanolanana no nisy. Endrika fanolanana io amiko, hoy izy. Ny vina tahaka an’io dia tokony hifandinihana amin’ny manam-pahalalana. Nisy, hono, izany komity siantifika izany fa kely finoana aho. Raha mpahay tantara sy mpikajy vakoka tsy ho tonga amin’io. Tontolo fantatro loatra io ary mifanerasera amin’ny tenako ny ankamaroan’ny olona ao, hoy hatrany ny tenany. Tsy mino aho! Asa! Don-kandrina fotsiny ve ilay izy hoe fanapahan-kevitro izaho lehibe ity satria izay no reviko? Afaka manao izay izy fa ny alahelo mitoetra, hoy i Hemerson Andrianetrazafy. Soa angamba anefa, hoy izy, nisy an’io mba hahafahan’ny adihevitra tena hisongadina satria ny habaka hiseraserana rehetra toy ny tototra ka toy ny lasa tontolo mampiomehy isika ka lasa miteniteny foana sy manaotao foana ary mahazo aina mihitsy ny mpisalovana sy ny mpisoloky anatina rafitra toy izao.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT