Efa niara-dàlana tamin’ny firenena Malagasy teo amin’ny fikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoakan’i Madagasikara hivoahana amin’ny krizy ny Fandaharanasan’ny Firenena
mikambana momba ny fampandrosoana , hoy ny mpitantana ny Pnud Helen Clark teny amin’ny Carlton Anosy omaly nandritra ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety. Mbola mitohy amin’ny fikarakarana ny fifidianana kaominaly sy rezionaly hotanterahana eto Madagasikara ny tantsoroka avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana, araka ny fanazavan’ny Sekretera jeneraly lefitry ny Firenena mikambana. Ny fifidianana izay vavahady mampisokatra ny fampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny fahatongavan’ireo fanampiana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro lafy. Nohamafisiny anefa fa tsy hisy velively izany fampandrosoana eto Madagasikara izany raha tsy mipetraka ny fitoniana sy ny fahamarinan-toerana. Ilaina sy takiana ny firaisan-kina sy ny famondronan-kerin’ny samy Malagasy raha tiany ny hanatratra ireo tanjon’ny fampandrosoana nifaneken’izao tontolo izao, hoy ramatoa Helen Clark.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.