HCJ

Ny mpikambana no miova lava, ny vokatra zero


  • Zoma 17 Janoary 2025

Tontosa omaly alakamisy 16 janoary 2025 teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny fametrahana sy fianianana

nataon’ny mpikambana avy amin’ny Antenimierampirenena izay handrafitra ny Fitsarana Avo (Haute Cour de Justice). Miisa 11 ny mpikambana anatin’ny HCJ ka anatin’izany ny solombavambahoaka roa tompon-toerana sy solombavambahoaka roa mpisolo toerana. Ireto avy izy ireo: ANDRIANIRINA Narcis voafidy tao Mahabo, MAMINIRINA Jolce Emilien voafidy tao Manakara, RIVOTIANA Jean Bosco voafidy tao Lalangina, RABY SAVATSARAH Ain'Harimanga Gabrielle voafidy tao Farafangana. Voizina hatrany fa fanamafisana ny maha-tany tan-dàlana an'i Madagasikara ny fisian’ ny Fitsarana Avo, koa na ny mpitondra fanjakana na ny vahoaka dia samy hitovy zo eo ambany fanaraha-mason'ny Fitsarana mahaleo tena. Na izany aza, fombafomba no betsaka, ny mpikambana no miovaova fa ny vokatra poakaty. Efa andiana depiote solontena ao amin'ny HCJ andiany fahatelo ireto vao nanao fianianana ireto, izany hoe hiditra taom-piasana fahatelo. Manodidina ny 13 ny dosie mikasika olona ambony toy ny mpikamban'ny governemanta tokony handeha HJC fa ny Antenimierampirenena no sakana. Tsy maintsy lanian'ny maro an'isa ao Tsimbazaza ny fandefasana ny dosie any amin'ny HCJ, saingy tsy mety tratra izany, rava maina, mifampiaro ny mpanao politika,... Ny minisitra teo aloha voarohirohy tamin'ny afera maloto goavana aza maromaro no lasa nialokaloka nitady "immunité parlementaire" ao Tsimbazaza ka inona no fanenjehana ho vanona amin'izany ? Na io Filohan'ny HCC am-perin'asa Atoa Florent Rakotoarisoa io aza efa nilaza am-pahibemaso fa isan'ny antony mampandringa ny ady amin'ny kolikoly io. Natao ho an'ny mpangalatra akoho sy mpanolana ihany ny fonja fa mpanodikodina volam-panjakana amina miliara milamindamina sy mitsotsotra ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT