Ramiandrasoa Véronique Jocelyne Danielle, Mpitsara laharana voalohany ao amin’ny Fitsarana Ambony ao Mahajanga sy Tsaboto Jacques Adolphe, Mpitsara laharana voalohany,
Tonia voalohany Mpampanoa lalàna ao amin’ny Fitsarana ambony ao Toliara, no solontena roa an’ny Filankevitra Ambony Momba ny Mpitsara ho eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana taorian’ny fifidianana natao omaly 18 jolay 2014, ho fampiharana ny voalazan’ny andininy voalohany ao amin’ny didy hitsivolana 2001-003 ny 18 Novambra 2001. Nahatratra 65 ny kandida. Miandry ny didim-panjakana manendry azy izy ireo vao afaka mandray ny asany eo anivon’ny HCC aorian’ny fianianana. Tsiahivina fa efa voatendry tamin’ny volana febroary 2014 ireo solontena telo notendren’ny filohan’ny Repoblika. Andrasana izany ireo solontena roa avy avy amin’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona hameno ho sivy ny mpikambana eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, izay hiasa mandritra ny fito taona tsy azo havaozina, araka ny voalazan’ny lalàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.