Actualités

Hazomanga ao Bekopaky Nitaraina ho norahonana depiote


  • Alatsinainy 25 Mey 2020

Solombavambahoaka iray lany tany amin’ny Distrikan’Antsalova no voalaza fa nanao kabary masiaka tena miendrika fampihinanana maloto Raiamandreny Hazomanga sy ireo fokonolona mihitsy any amin’ny fokontanin’i Bekopaky, kaominin’Ambanivohitr’i Bekopaky, distrikan’Antsalova.

 

 

 Voalaza ho isan’ny nanatrika izany ny lehiben’ity distrika ity saingy nangina. Nanazava tamin’ny antso an-telefaonina moa ilay voalaza ho Hazomanga voakasik’izany ny sabotsy atoandro teo. “Raha izaho no tonga eto amin’ny Manaraka ,izay manome Fitenenana anao dia alefa miaraka matory aminao any Amin’ny Gendarme .Na ho lazain’olona fitondrana dictature izahay ,tsy ekeko ny raha manao an’izao . Tsy ianao Raiamandreny voafidin’olona koa no hanao an’izany . Ianareo aza manao asan’akoho ,hitariky ny anany hinan-tay.», izay moa no voambara ho fehezantenin’ity solombavambahoaka voambara ho tsy nahatana fihetseham-po ity. Raha tsiahivina dia tonga namory fokonolona tao Bekopaky ireo manampahefana any Antsalova ary niresaka fandriampahalemana sy COVID-19 , hoy ity Hazomanga ity nanazava. Taorian’ilay kabarin’ny depiote dia nanao fanamarihana ity Raiamandreny Hazomanga ity ka nahazo rombo na tehaka avy amin’ireo rehetra nanatrika teo , ka nahatonga ilay depiote nampihinana maloto sy nandrahona ity Olobe ity, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT