Actualités

Hazo sarobidy sy ala voajanahary Mbola tsy azo trandrahana na aondrana


  • Talata 03 Novambra 2020

Nohamafisina ny fanapahan-kevitra nivoaka teo amin’ny filankevitry ny minisitra ny 21 oktobra 2020 momba ny famoahana ireo tahirin-kazo tsotra avy amin’ny ala voajanahary izay naaton’ny naoty n°01/19/medd/mi tamin’ny 29 janoary 2019.

 

 

 Ho fampiharana ny naoty navoakan’ny Filankevitry ny Minisitra ny datin’ny 21 oktobra 2020, dia nisy ny fanampim-panazavana mahakasika ny famoahana ireo tahirin-kazo tsotra avy amin’ny ala voajanahary (bois ordinaires) izay nahazoana fahazoan-dalana fitrandrahana ara-dalàna talohan’ny volana janoary 2019, niainga avy tamin’ny tolo-bidy na famindram-pitantanana. Mbola voarara ny fitrandrahana, ny fitaterana, ny famindran-toerana ary ny fanondranana ireo hazo sarobidy rehetra toy ny Andramena (bois de rose), ny Voamboana (palissandre) sy ny Hazomainty (ébène). Mikasika ireo tahirin-kazo tsotra (bois ordinaire) avy amin’ireo fahazoan-dalana hitrandraka izay naato tamin’ny alalan’ny naoty voalaza etsy ambony, dia hotanterahina ny famoahana (fitaterana, fanodinana, fivarotana) ireo tahirin-kazo tsotra ho an’ireo mpitrandraka nahazo fahazoan-dalana izay nanan-kery hatramin’ny 29 janoary 2019, ary izany dia mba ho fitsinjovana ny famatsiana ny tsena anatiny sy ny seha-pihariana hazo mifandraika amin’izany. Hisy ny fepetra manokana hanarahana akaiky ny fizohiana ny famoahana ireo tahirin-kazo izay voalaza etsy ambony ireo. Hisy ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny vokatra. Miato mandra-piandry fanapahan-kevitra vaovao ny fahazoan-dalana mitrandraka any anaty ala voajanahary izay naato tamin’ny naoty 01/-19/MEDD/Mi izay nivoaka ny 29 janoary 2019. Averina ny fahazoana manondrana ireo hazo tsotra (bois ordinaire) voaodina (produits finis) avy amin’ny ala voajanahary sy hazo nambolena ao anatin’ny fanajana ny fepetra rehetra manan-kery mifehy ny asa fanondrana.Tsy misy fiovàna ny fepetra mahakasika ny fanomezana fahazahoan-dalana mitrandraka, manao arina sy kitay, mitatitra, mivarotra ary manondrana vokatra voahodina avy amin’ny fitrandrahana ala nambolena toy ny Kininina sy ny Kesika ary alana mokonazy na grevillea manaraka ny drafi-panajariana. Heloka ny fitrandrahana, ny fanapahana hazo, ny fihazana biby ary ny fanakorotanana na fanimbana ny Faritra arovana rehetra ary mahavoasazy araka ny lalàna manan-kery ny fandikana izany, hoy ny fampahafantarana.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT