Actualités

Hazo mety hitera-doza eto Iarivo Notapahan’ny kaominina


  • Alarobia 23 Aogositra 2017

Miroso amin’ny asa fanapahana ireo hazo lehibe mety hitera-doza ho an’ny mpandalo sy ny trano manodidina ny sampana mpamonjy voina eny Tsaralalàna amin’izao ankatoky ny vanim-potoana hidirana amin’ny lohataona izao.

Nanomboka ny alahady 13, 20, 27 aogositra ary hifarana ny 3 septambra 2017 ny asa. Isaky ny amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 1ora antoandro ny fotoana iasana. Nisy ny lalàna monisipaly mitondra ny laharana 182CUA/M/SG/DTMU.17 mifandraika amin’ny fanatanterahana ny asa, koa voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny fiara rehetra tsy an-kanavaka amin’ny lalana Farafaty eo anelanelan’ny faran’ny Taksibe Mausolée mihazo ny fidirana amin’ny « Caserne de la Gendarmerie » Fort Duchesne, fa tonga dia mihazo ny lalana Dr Rabenitany, ka efa misy polisy monisipaly mandrindra sy mandamina ny fifamoivoizana eny an-toerana. Araka ny voalazan’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina, ny kolonely Rabemanantsoa Michel dia tsy tsara raha mihoatra ny haavon’ny trano ny haavon’ny hazo eo an-tokotany na ny manodidina ary aleo misoroka, indrindra rehefa ho tonga ny fotoam-pahavaratra. Entanina ny mpampiasa iny lalana iny hanaraka ny toromarika rehetra voalaza etsy ambony. Tsara ny manamarika fa asa fanaon’ny sampana mpamonjy voina eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny fanapahana ireo hazo lehibe izay voasokajy ho loza mitatao ho an’ny mponina.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT