Actualités

Hazo manamorona ny farihin’Anosy Nahitana lehilahy maty nihantona


  • Alatsinainy 22 Jona 2015

Nahitana lehilahy iray manodidina ny 41 taona eo maty teny Anosy ny sabotsy maraina lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora

  

. Nihantona tamin’ny hazo no nahitana ny razana izay notazonin’ny tady teo amin’ny tendany. Tsy fantatra mazava izay nahazo ity raim-pianakaviana ity na nisy namono dia nisy nanantona avy eo na namono tena ihany koa. Ny hany tsikaritra dia nisy mangana be teo amin’ny lohany. Avy hatrany dia tonga nanao ny asany moa ny BMH izay naka ny razana, niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana. Marihina fa tsy dia ambony be loatra ilay rantsan-kazo niantonany. Sambany no nahitana tranga nampatahotra tahaka izao teny Anosy teny. Ireo mpandalo vao maraina no nahita ny razana niampy olona handeha hamonjy lanonana tetsy Antsahamanitra.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT