Actualités

Hazo eto Madagasikara Mbola voarara ny fanapahana sy fanondranana


  • Alakamisy 22 Oktobra 2020

Voarara ny fanondranana hazo makany ivelany, azo atao ny mivarotra sy mampiasa ireo tahirin-kazo tsotra entina handaminana ny sehatra miasa amin’ny hazo tsotra, araka ny fampahafantarana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly.

 

 

 Raràna kosa ny fivarotana sy fanondranana izany any ivelany, fa ireo vokatra efa voarafitra ihany no azo haondrana. Nambara fa miditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna isika, ka ireo tahirin-kazo ihany no azo amidy sy ampiasaina, mbola voarara ny fanapahana. Hisy mason-tsivana amin’ny famoahana ireo vokatra, hapetraka ny tambajotra fanaraha-maso ny fivezivezen’ny hazo sy ny famoahana izany isam-paritra. Hamafisina ihany koa ny fiarovana ireo faritr’ala mba hisorohana ny fanapahana hazo amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna, ary hampitomboina ny faritra hovolena hazo mba hahatrarana ny tanjona fandrakofana ala an’i Madagasikara, hoy hatrany ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra. 


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT