Hazakazaky ny mpitondra

Voahelingelina indray ny madinika


  • Talata 11 Jona 2024

Natao omaly 11 jona hazakazaka hanokafana ny hetsika ara-panatanjahantena anatin'ny fankalazana ny faha-64

taona nahazoana ny fahaleovantena izay tarihin'ireo mpikambana sasantsasany ao amin'ny governemanta. Niainga tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, nihazo ny kianjan'i Barea Mahamasina. Vokany, nisy ny fanapahan-dàlana, voatohintohina ny fifamoivoizana, voahelingelina ny mpivarotra,… Zon’ny mpitondra no mihazakazaka, zony ny manao fanatanjahantena, saingy tsy tokony hanelingelina ny fiharian’ny madinika ! Izy ireo no efa milamina ary sady fialam-boly ny azy, fa izahay mitrongy vao homana kosa lasibatra, hoy ireo nahatsiaro ho voahelingelina. Tsy azo natao andro hafa toy ny faran’ny herinandro tsy fiasana ve farafaharatsiny ? Somary vazivazy ihany koa ny hoe : ny mpitondra izany no nidina an-dalambe voalohany taorian’ny fifidianana !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT