Hazakazaka ho an’ny

fandriampahalemana Hatao ny alahady 24 septambra, hanasana ny rehetra


  • Alarobia 20 Septambra 2023

Hotanterahina ny alahady 24 septambra ho avy izao ny “course pour la paix” na “Hazakazaka ho an’ny fandriampahalemana”,

karakarain’ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar, ivo-toerana iray ao anatin’ny Fiangonana Katolika ary ambany fitantanan’ny Fikambanan’i Jesoa, izay manana ny foibeny eny Faravohitra. Hanasana ny olon-drehetra tsy an-kanavaka io na lehibe na kely, ka amin’io alahady io amin’ny 8ora ka hatramin’ny 12 ora atoandro no hanatanterahana an’izany. Hiainga eo amin’ny kianjan’i St Joseph Analamahitsy ary hifarana eny amin’ny Esca Antanimena. Holaroina hetsika maro isan-karazany izy io, ary hisy ny mari-pahatsiarovana ho an’ny mpandray anjara, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Tsy fifaninana ary tsy hisy laharana voalohany sy faharoa, fa hitoriana hafatra lehibe ho an’ny fandriampahalemana ho an’ny fiarahamonina, firenena,… Mandalo toe-draharaham-pirenena somary mafampana rahateo isika toy izao ankatoky ny fifidianana izao. Nomarihin’I Mompera Razafinandraina Noël Marie Cyprien Médard Lehiben’ny Arrupe Madagascar anefa, fa efa tamin’ny volana jolay no noheverina hanatanterahana azy ity, saingy noho ny fandaharam-potoana lehibe samihafa nolalovan’ny Fiangonana katolika, dia izao vao tena tonga ny fotoana mety hanatanterahana azy, izay toa lasa nifanandrify amin’ny fiainam-pirenena, ka fotoana mifanandrify kanefa vao mainka mifameno sy mahatsara azy ihany. Raha nanontanian’ny mpanao gazety amin’ny mety ho fanasana ireo mpanao politika na kandida ho Filoham-pirenena kosa ny mpikarakara, dia naneho fa misokatra ho an’ny olom-pirenena rehetra io, saingy tsy fanamiana amin’ny loko politika no hoentina, fa fitafiana fanao amin’ny fanatanjahantena ka miloko fotsy ny amboniny no loko iraisan’ny rehetra.
Toky R

Misoratra anarana any amin’ny ivon-toerana Arrupe MDG ireo izay handray anjara hatramin’ny 21 septambra 2023. Akanjo amboniny fotsy no hiraisan’ireo mpandray anjara rehetra mandritra izany.
Arrupe Madagascar : hazakazaka ho an’ny fandriam-pahalemana
Handray anjara amin’ny fikatsahana ny soa ho an’i Madagasikara indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao ny ivon-toerana Arrupe Madagascar (CA MDG),
Hisy ny hazakazaka ho an’ny fandriam-pahalemana sy filaminana antsoina hoe “Course pour la paix” izay karakarain’izy ireo ny alahady 24 septambra ho avy izao izay hanasana ny olom-pirenena rehetra. Tanjona ny hitaizana ny olom-pirenena handray anjara amin’ny fiainam-pirenena.
Manomboka amin’ny 8 ora ka hatramin’ny 12 ora sy sasany ny hetsika amin’io andro io.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT